Bokin'i Amosa 9:8
Indro, ny mason’ i Jehovah Tompo no manandrina ity fanjakana feno ota ity, ka dia hofongorako tsy ho eo ambonin’ ny tany izy; Kanefa tsy dia hofongorako avokoa ny taranak’ i Jakoba, hoy Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 7:4Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin’ ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin’ ny tany.
Deuteronomy 6:15fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran’ i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin’ ny tany ianao.
Psalms 11:4Jehovah dia ao amin’ ny tempoliny masìna, ny seza fiandrianan’ i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak’ olombelona.
Proverbs 15:3Ny mason’ i Jehovah amin’ izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
Jeremiah 5:10Miakara eo amin’ ny mandany ianareo, ka mameleza, nefa aza dia levonina avokoa izy; Esory ny sakeliny, satria tsy an’ i Jehovah izy.
Jeremiah 31:35Izao no lazain’ i Jehovah, Izay manome ny masoandro ho fahazavana amin’ ny antoandro ary ny filahatry ny volana sy ny kintana ho fahazavana amin’ ny alina, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany: