Epistily ho an'ny Kolosiana 1:15
Izy no endrik’ Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’ izao zavatra ary rehetra izao;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Who is the image of the invisible God, the firstborn of every creature:
In Context
14Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.
Read all of Epistily ho an'ny Kolosiana 1
Cross References
Exodus 24:10Dia nahita an’ Andriamanitry ny Isiraely izy; koa ny teo ambanin’ ny tongony dia toy ny fanganohanon’ ny vato safira voavoatra, ary toy ny tenan’ ny lanitra ny famirapirany.
Psalms 89:27Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin’ ny famonjena ahy.
Ezekiel 1:26Ary teo ambonin’ ny eloelo, izay teo ambonin’ ny lohany, dia nisy endriky ny seza fiandrianana mitovy volo amin’ ny vato safira; ary teo ambonin’ ny endriky ny seza fiandrianana dia nisy hoatra ny endrik’ olona.
John 1:14Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ ny Lahitokana avy tamin’ ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.
John 3:16Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
John 15:24Raha tsy nataoko teo aminy Izay asa tsy nataon’ olona, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa hitany sady efa halany Ahy sy ny Raiko koa;