Epistily ho an'ny Kolosiana 1:19
Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran’ ny fahafenoana rehetra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For it pleased the Father that in him should all fulness dwell;
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Kolosiana 1
Cross References
Matthew 11:25Tamin’ izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin’ ny zaza madinika.
John 1:16Fa tamin’ ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana.
Ephesians 1:3Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’ i Kristy amin’ ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,
Ephesians 1:23izay tenany, dia ny fahafenoan’ izay mameno izao zavatra rehetra izao amin’ ny rehetra.
Colossians 2:3Izay iafenan’ ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.
Colossians 3:11Fa amin’ izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ ny rehetra.