Epistily ho an'ny Kolosiana 1:29
Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan’ ny herin’ ilay miasa mahery ato anatiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Whereunto I also labour, striving according to his working, which worketh in me mightily.
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Kolosiana 1
Cross References
Romans 15:20Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin’ izay efa niantsoana an’ i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin’ izay efa naorin’ ny sasany aho;
1 Corinthians 9:25Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satro-boninahitra mety ho lò ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lò.
1 Corinthians 12:11Ireo rehetra ireo dia asan’ ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony.
2 Corinthians 5:9Koa dia ataontsika ho voninahitsika ny mba hankasitrahany antsika, na mitoetra, na tsy mitoetra.
2 Corinthians 11:23Mpanompon’ i Kristy va izy? (miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin’ ny fisasarana manan-tombo, amin’ ny tranomaizina matetika kokoa, amin’ ny kapoka be efa izay tsy izy, amin’ ny fahafatesana matetika.
2 Corinthians 13:3satria ianareo mitady famantarana fa miteny ato anatiko Kristy, Izay tsy malemy aminareo, fa mahery ao aminareo kosa.