Epistily ho an'ny Kolosiana 1:9
Ary noho izany izahay koa hatramin’ ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin’ ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ ny Fanahy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8sady efa nanambara taminay koa ny fitiavanareo ao amin’ ny Fanahy.
Read all of Epistily ho an'ny Kolosiana 1
Cross References
1 Samuel 12:23Ary ny amiko, sanatria raha hanota amin’ i Jehovah aho ka hitsahatra tsy hangataka ho anareo; fa izaho hanoro anareo izay lalana tsara sy mahitsy.
Psalms 143:10Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Hianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’ izay tany marina.
Acts 12:5Ary Petera nambenana tao an-tranomaizina; ary ny fiangonana nahery nangataka tamin’ Andriamanitra ho azy.
Romans 12:2Ary aza manaraka ny fanaon’ izao tontolo izao; fa miovà amin’ ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’ Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.
Ephesians 1:8izay nataony be ho antsika tamin’ ny fahendrena sy ny fisainana rehetra,
Ephesians 3:14Ary noho izany no andohalehako amin’ ny Ray