Epistily ho an'ny Kolosiana 2:14
ary novonoiny ny sora-tànan’ ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ ny hazo fijaliana,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Kolosiana 2
Cross References
Numbers 5:23Ary hosoratan’ ny mpisorona amin’ ny taratasy izany fiozonana izany ka hosasany eo amin’ ny rano mangidy ny soratra;
Esther 3:12Dia nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany, ka nosoratana izany araka izay rehetra nandidian’ i Hamana ho an’ ny solo-mpanjaka sy ny governora tamin’ ny isan-tokony ary ny mpanapaka ny firenena rehetra, ho any amin’ ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ho amin’ ny isam-pirenena araka ny fiteniny avy; dia tamin’ ny anaran’ i Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny tamin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka.
Psalms 51:1Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida,
Isaiah 43:25Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao.
Isaiah 57:14Ary Izy hilaza hoe: Manandrata, eny, manandrata ka manamboara lalana, esory izay mahatafintohina eny amin’ ny alehan’ ny oloko.
Luke 1:6Ary samy marina teo anatrehan’ Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen’ ny Tompo.