Epistily ho an'ny Kolosiana 4:11
ary Jesosy, izay atao hoe Josto, avy amin’ ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’ Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Kolosiana 4
Cross References
Acts 10:45Ary talanjona ny mino isan’ ny voafora izay niaraka tamin’ i Petera, satria nilatsaka tamin’ ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masìna.
Romans 4:12ary ho rain’ ny voafora, dia tsy izay voafora ihany, fa izay mandeha araka ny dian’ ny finoan’ i Abrahama razantsika koa, izay nananany fony izy tsy mbola voafora.
2 Corinthians 6:1Ary izahay mpiara-miasa aminy dia mangataka aminareo koa mba tsy handraisanareo foana ny fahasoavan’ Andriamanitra
Galatians 2:7Fa hafa kosa no nataony, fa nony hitany fa notolorana ny filazantsara ho adidiko ho an’ ny tsy voafora aho, tahaka an’ i Petera ho an’ ny voafora
Philippians 4:3Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ ny filazantsara izy, mbamin’ i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoatra ao amin’ ny bokin’ ny fiainana.
1 Thessalonians 3:2ka dia nirahinay Timoty, rahalahinay sady mpanompon’ Andriamanitra amin’ ny filazantsaran’ i Kristy, mba hampahery sy hamporisika anareo amin’ ny finoanareo,