Bokin'i Daniela 1:19
Ary ny mpanjaka niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay tahaka an’ i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria tamin’ izy rehetra, ka dia nitoetra teo anatrehan’ ny mpanjaka izy ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 41:46Ary efa telo-polo taona Josefa, raha niseho teo anatrehan’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta. Dia niala teo anatrehan’ i Farao Josefa ka nandeha nitety ny tany Egypta rehetra.
Proverbs 22:29Mahita olona mailaka amin’ ny raharahany va ianao? Eo anatrehan’ ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan’ ny olona ambany izy.
Daniel 1:4dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin’ ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan’ ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin’ ny Kaldeana.