Bokin'i Daniela 10:21
Fa hambarako aminao izay voasoratra ao amin’ ny soratra marina; nefa tsy misy miara-misikìna amiko hanohitra ireo, afa-tsy Mikaela andriananareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Daniela 10
Cross References
Isaiah 43:8Ento mivoaka ny olona jamba mana-maso sy ny marenina manan-tsofina.
Daniel 9:25Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ ny hivoahan’ ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’ i Jerosalema ka hatramin’ i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin’ izay andro mampahory.
Daniel 11:1Fa tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Dariosa Mediana dia nitsangana hampahery sy hanatanjaka azy aho.
Daniel 12:1Ary amin’ izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian’ ny firenena ka hatramin’ izany andro izany; ary amin’ izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ ny boky.
Amos 3:7Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ ny mpaminany mpanompony.
Acts 15:18Izay manao izany zavatra fantatra hatramin’ ny voalohany indrindra izany.