Daniel 11:24
Hiditra tsy ampoizina amin’ ny fari-tany mahavokatra indrindra izy ka hanao izay tsy nataon’ ny rainy na ny razany; hahahany eny amin’ ireny ny sambotra sy ny babo ary ny harena; ary hamoron-tsaina izy ka hamely ny fiarovana mandra-pahalanin’ ny fotoana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Nehemiah 9:25Ary nahazo tanana mimanda sy tany lonaka izy ary trano feno zava-tsoa rehetra sy lavaka famorian-drano voahady sy tany voavoly voaloboka sy oliva ary hazo fihinam-boa betsaka; dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka nifalifaly tamin’ ny fahatsaranao lehibe.
Proverbs 19:6Maro no mandambolambo andriana; Ary ny olona rehetra samy misakaiza amin’ izay mpanome zavatra.
Ezekiel 38:10Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Amin’ izany andro izany dia hisy eritreritra hiditra ao an-tsainao, ary hamoron-kevi-dratsy ianao
Matthew 9:4Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia nanao hoe: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?