Bokin'i Daniela 11:30
fa ny sambon’ i Kitima ho avy namely azy, ka dia ho kivy izy ka hiverina ary hisafoaka amin’ ny fanekena masìna ka hamely; eny, hiverina izy ka hisaina ny amin’ ireo efa mahafoy ny fanekena masìna.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
29Amin’ ny fotoana dia ho lasa mianatsimo indray izy; nefa ny farany tsy ho toy ny voalohany;
Read all of Bokin'i Daniela 11
Cross References
Numbers 24:24Ary hisy sambo avy any amin’ ny tany Kitima, dia hampietry an’ i Asyra sy Ebera, ka ho lany ringana no hiafarany.
Nehemiah 6:12Ary hitako fa, indro, tsy Andriamanitra no naniraka azy, fa nilaza izany faminaniana izany hamitahany ahy izy, satria notambazan’ i Tobia sy Sanbala.
Isaiah 23:12Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry virijina afa-baraka, Sidona zanakavavy; Miaingà, mità ho any Kitima; Kanefa na dia any aza tsy hahita fitsaharana tsy akory ianao.
Ezekiel 27:6Oka avy any Basana no nanaovany ny fivoinao; hazo bokso avy any amin’ ny moron-dranomasin’ i Kitima no nataony fipetrahan’ ny mpivoinao sady nasiany parike ivory.
Daniel 11:28Ary hiverina ho any amin’ ny taniny mitondra harena be izy; koa ny fony dia hanohitra ny fanekena masìna; ary hahefa sy hiverina ho any amin’ ny taniny izy
Revelation 12:12Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny.