Bokin'i Daniela 2:27
Dia namaly teo anatrehan’ ny mpanjaka Daniela nanao hoe: Ilay zava-miafina nanontanian’ ny mpanjaka dia tsy hain’ ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny mpanandro, nolazaina tamin’ ny mpanjaka;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Job 5:12Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan’ ny tànany na inona na inona hahasoa ny tenany;
Isaiah 44:25Izaho mahafoana ny famantarana lazain’ ny mpibedibedy sy mampahavery saina ny mpanao fankatovana ary mampihemotra ny olon-kendry ka mampody ny fahalalany ho fahadalana,
Daniel 2:2Dia nasain’ ny mpanjaka nantsoina ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny mpanana ody ary ny Kaldeana hilaza amin’ ny mpanjaka ny nofiny. Dia tonga ireny ka nitsangana teo anatrehan’ ny mpanjaka.
Daniel 5:7Dia niantso mafy ny mpanjaka hampiditra ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin’ ny olon-kendrin’ i Babylona hoe: Na zovy na zovy no mahavaky io soratra io sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho isan’ ny mpanapaka telo lahy amin’ ny fanjakana izy.