Bokin'i Daniela 5:29
Ary Belsazara dia nanome teny, ka dia nampiakanjoina volomparasy Daniela, sady nasiana rojo volamena ny vozony, ary nisy niantso azy ho isan’ ny mpanapaka telo lahy amin’ ny fanjakana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
28Paresa, zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an’ ny Mediana sy ny Persiana.
30Ary tamin’ io alina io ihany dia novonoina Belsazara, mpanjakan’ ny Kaldeana.
Cross References
Genesis 41:42Dia nesorin’ i Farao ny peratra tamin’ ny tanany ka nataony tamin’ ny tànan’ i Josefa, dia nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony;
Daniel 5:7Dia niantso mafy ny mpanjaka hampiditra ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin’ ny olon-kendrin’ i Babylona hoe: Na zovy na zovy no mahavaky io soratra io sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho isan’ ny mpanapaka telo lahy amin’ ny fanjakana izy.