Bokin'i Daniela 9:11
Eny, ny Isiraely rehetra efa nandika ny lalànao ka niala, fa tsy nihaino ny feonao, ka dia naidina taminay ny ozona sy ny fianianana izay voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, satria efa nanota taminy izahay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 8:20tahaka ny andringanana ny firenen-tsamy hafa, izay aringan’ i Jehovah eo anoloanareo, no handringanana anareo, satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
Deuteronomy 28:15Fa raha tsy mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao:
Deuteronomy 30:17Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao, fa voataona hiankokoha eo anatrehan’ izay andriamani-kafa sy hanompo azy,
Deuteronomy 32:19Ary Jehovah nahita izany ka nandà Noho ny fahasosorany tamin’ ny zananilahy sy ny zananivavy.
2 Kings 18:12Satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, dia izay rehetra nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, ka tsy nihaino na nankato izany izy.
Isaiah 1:4Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an’ i Jehovah izy, Efa nanamavo ny Iray Masin’ ny Isiraely. Efa nihodina izy.