Bokin'ny Deoteronomia 1:11
(Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anie hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa nolazainy taminareo!)
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Hataoko izaho irery ahoana no fitondra ny fahasahirananareo sy ny entanareo any ny adinareo?
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 1
Cross References
Genesis 22:17dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ ny fahavalony;
Genesis 49:25Avy amin’ ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao avy amin’ ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao: Dia fitahiana avy amin’ ny lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin’ ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin’ ny nono sy ny kibo.
Numbers 6:27Dia hametraka ny anarako amin’ ny Zanak’ Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy.
Deuteronomy 10:22Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon’ i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra ianao.
2 Samuel 24:3Fa hoy Joaba amin’ ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan’ ny mason’ ny mpanjaka tompoko izany; fa ahoana no itiavan’ ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany?
Psalms 115:14Jehovah anie hampitombo anareo, Dia ianareo mbamin’ ny zanakareo.