Bokin'ny Deoteronomia 1:28
Ho aiza no hiakarantsika? Ny rahalahintsika efa nanaketraka ny fontsika tamin’ ny nanaovany hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona; ary ny tanàna dia lehibe sady misy mànda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay teo koa ny taranaky ny Anakita.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
29Dia hoy izaho taminareo: Aza manahy, any aza matahotra azy;
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 1
Cross References
Numbers 13:28Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin’ ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay.
Deuteronomy 7:17Raha ianao hanao anakampo hoe: Maro noho izaho ireo firenena ireo, ka hataoko ahoana no fahay mandroaka azy?
Deuteronomy 9:2dia firenena lehibe sady olona lava, dia taranaky ny Anakita izay fantatrao, sady efa renao ny lazany hoe: Iza no mahajanona eo anoloan’ ny taranak’ i Anàka?
Deuteronomy 20:20Kanefa ny hazo izay fantatrao fa tsy fihinam-boa dia kapao ihany, ka ataovy manda hamelezana ny tanàna izay miady aminao mandra-paharesiny.
Joshua 2:11Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin’ ny lanitra ambony sy etỳ amin’ ny tany ambany.
Joshua 11:22Tsy nisy sisa tany amin’ ny tanin’ ny Zanak’ Isiraely ny Anakita; fa tany Gaza sy Gata ary Asdoda ihany no mbola nisy sisa.