Bokin'ny Deoteronomia 10:15
Kanefa ny razanao no niraiketan’ ny fitiavan’ i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin’ izao anio izao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 10
Cross References
Numbers 14:8Raha sitrak’ i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin’ izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
Deuteronomy 7:7Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan’ ny fitiavan’ i Jehovah taminareo sy nifidianany anareo, fa ianareo dia vitsy noho ny firenena rehetra aza;
Amos 3:2Hianareo ihany no fantatro tamin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, koa noho izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra.