Bokin'ny Deoteronomia 10:18
manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ianareo.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 10
Cross References
Exodus 22:20Ary aza manao izay sarotra amin’ ny vahiny, na mampahory azy; fa ela mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ihany ianareo.
Exodus 22:22Fa raha mampahory azy na amin’ inona na amin’ inona ianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho,
Numbers 10:32Ary raha hiaraka aminay ianao, dia izay soa hataon’ i Jehovah aminay no mba hataonay aminao kosa.
Psalms 68:5Mihirà ho an’ Andriamanitra, mankalazà ny anarany; manamboara lalana ho an’ izay mitaingina mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
Psalms 103:6Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin’ izay rehetra ampahorina.
Psalms 146:9Jehovah miaro ny vahiny Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena, Fa mamadika ny lalan’ ny ratsy fanahy kosa.