Bokin'ny Deoteronomia 10:22
Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon’ i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 10
Cross References
Genesis 15:5Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan’ ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao.
Genesis 46:27Ary ny zanakalahin’ i Josefa, izay naterany tany Egypta, dia roa lahy; ny isan’ ny terak’ i Jakoba rehetra, izay tonga tany Egypta, dia fito-polo.
Numbers 26:51Ireo no voalamina tamin’ ny Zanak’ Isiraely, dia telo-polo amby fiton-jato sy arivo sy enina hetsy.
Deuteronomy 1:10Jehovah Andriamanitrareo efa nahamaro anareo, ary, indro, efa maro toy ny kintana eny amin’ ny lanitra ianareo izao.
Deuteronomy 26:5Dia hiteny eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Syriana mpanjenjena no raiko, ka nidina tany Egypta izy, dia nivahiny tany mbamin’ ny olom-bitsy; ary tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.
Nehemiah 9:23Ary ny zanany dia nohamaroinao ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra, sady nentinao ho amin’ ny tany izay nolazainao tamin’ ny razany fa hidirany holovana.