Bokin'ny Deoteronomia 10:4
Dia nasiany soratra tahaka ny teo ihany ny vato fisaka, dia ny Didy Folo Izay nolazain’ i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin’ ny afo tamin’ ny andro nivoriana; dia nomen’ i Jehovah ahy ireny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 10
Cross References
Exodus 20:1Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe:
Exodus 34:28Dia teo amin’ i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan’ i Jehovah tamin’ ny vato fisaka ny tenin’ ny fanekena, dia ny Didy Folo.
Deuteronomy 4:12Dia niteny taminareo teo amin’ ny afo Jehovah; ny teny ihany no renareo, fa tsy nahita endrika akory ianareo.
Deuteronomy 5:4Niteny nifanatrika taminareo Jehovah tao an-tendrombohitra, tao amin’ ny afo.
Deuteronomy 18:16araka izay rehetra nangatahinao tamin’ i Jehovah Andriamanitrao tao Horeba tamin’ ny andro nivoriana hoe: Aoka tsy hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitro intsony aho, ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho, fandrao maty.