Bokin'ny Deoteronomia 11:29
Ary rehefa entin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ ny tany izay alehanao holovana, dia ny fitahiana no hotononinao eo an-tendrombohitra Gerizinia, ary ny fanozonana kosa eo an-tendrombohitra Ebala.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 11
Cross References
Deuteronomy 27:4Ary rehefa tafita an’ i Jordana ianareo, dia atsangano ao an-tendrombohitra Ebala ireo vato ireo, izay nandidiako anareo andro any ka lalory sokay.
Deuteronomy 27:13Ary ireto kosa no hijanona eo an-tendrombohitra Ebala hanozona: dia ny Robena sy ny Gada sy ny Asera sy ny Zebolona sy ny Dana ary ny Naftaly.
Joshua 8:33Ary ny Isiraely rehetra sy ny loholony sy ny mpifehy azy ary ny mpitsara azy dia nitsangana teo an-daniny roa amin’ ny fiara, teo anatrehan’ ny Levita mpisorona, izay nitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, na olona hafa firenena, na Isiraely: ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Gerizima, ary ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Ebala, araka izay efa nandidian’ i Mosesy mpanompon’ i Jehovah fahiny, mba hitso-drano ny olona Isiraely.