Bokin'ny Deoteronomia 11:6
ary izay nataony tamin’ i Datana sy Abìrama, zanak’ i Eliaba, zanak’ i Robena, teo amin’ ny Isiraely rehetra, dia izay nisokafan’ ny tany sy nitelemany azy mbamin’ ny ankohonany sy ny lainy ary ny zava-manan’ aina izay nomba azy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5ary izay nataony taminareo tany an-efitra, hatramin’ ny nahatongavanareo teto amin’ ity tany ity,
7fa ny masonareo efa nahita ny asa lehibe rehetra izay nataon’ i Jehovah.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 11
Cross References
Numbers 16:1Ary Kora, zanak’ i Jizara, zanak’ i Kehata, zanak’ i Levy, ary Datana sy Abìrama, zanak’ i Eliaba, sy Ona, zanak’ i Peleta, izay samy taranak’ i Robena, dia nandrendri-bahoaka,
Numbers 16:32eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin’ ny olona rehetra izay an’ i Kora ary ny fananany rehetra.
Numbers 27:3Ny rainay dia maty tany an-efitra, kanefa tsy mba isan’ ny antokon’ i Kora izay niangona hiodina tamin’ i Jehovah tsy akory; fa matin’ ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.