Bokin'ny Deoteronomia 11:7
fa ny masonareo efa nahita ny asa lehibe rehetra izay nataon’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But your eyes have seen all the great acts of the LORD which he did.
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 11
Cross References
Deuteronomy 4:3Ny masonareo efa nahita izay nataon’ i Jehovah noho ny tamin’ i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an’ i Bala-peora dia naringan’ i Jehovah Andriamanitrao tsy ho eo aminao.
Deuteronomy 7:19dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan’ ny masonao, sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny tanana mahery ary ny sandry nahinjitra, izay nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka; fa toy izany no hataon’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny firenena rehetra izay atahoranao.
Deuteronomy 29:2dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan’ ny masonao, dia ireny famantarana sy fahagagana lehibe ireny.
Psalms 106:2Iza no mahalaza ny asa lehibe ataon’ i Jehovah, Na mahatonona ny fiderana Azy rehetra?
Psalms 145:12Mba hampahafantarina ny zanak’ olombelona ny herinao Sy ny haben’ ny voninahitry ny fanjakanao.