Bokin'ny Deoteronomia 12:20
Raha hitarin’ i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nolazainy taminao, ka hoy ianao: Hihinan-kena aho, satria maniry hihinan-kena ny fanahinao, dia mahazo mihinan-kena araka izay rehetra irin’ ny fanahinao ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Mitandrema mba tsy ho foinao ny Levita amin’ ny andro rehetra hiainanao amin’ ny taninao.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 12
Cross References
Genesis 15:18Tamin’ izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin’ i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin’ ny onin’ i Egypta ka hatrany amin’ ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata,
Genesis 31:30Ary ankehitriny, raha mandeha tokoa ianao, satria manina ny tranon’ ny rainao indrindra ianao, nahoana no nangalarinao ny andriamanitro?
Exodus 34:24Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny fari-taninao; ary tsy hisy olona haniry ny taninao, raha miakatra hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-kerintaona ianao.
Numbers 11:20fa hatramin’ ny iray volana mipaka, dia mandra-pivoakany amin’ ny vavoronareo ka haharikoriko anareo; satria nolavinareo Jehovah, Izay eo aminareo, ka nitomany teo anatrehany ianareo nanao hoe: Nahoana re no nivoaka avy tany Egypta izahay?
Deuteronomy 11:24Ny tany rehetra izay hodiavin’ ny faladian’ ny tongotrareo dia ho anareo: hatramin’ ny efitra sy Libanona ary hatramin’ ny ony Eofrata ka hatramin’ ny ranomasina andrefana no ho fari-taninareo.
Deuteronomy 19:8Ary raha hitarin’ i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nianianany tamin’ ny razanao, ka homeny anao ny tany rehetra izay nolazainy homena ny razanao