Bokin'ny Deoteronomia 12:5
Fa ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrareo amin’ ny firenenareo rehetra hasiany ny anarany sy honenany no hohatoninareo sy halehanareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Aza manao toy izany amin’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 12
Cross References
Exodus 25:22Ary ao no hihaona aminao Aho, ka ao ambonin’ ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, dia ao anelanelan’ ny kerobima roa, izay eo ambonin’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, ka holazaiko izay rehetra handidiako anao holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Numbers 7:89Ary rehefa niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana Mosesy mba hiteny amin’ Andriamanitra, dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, avy eo anelanelan’ ny kerobima roa; dia niteny taminy Jehovah.
Deuteronomy 12:13Mitandrema mba tsy haterinao eny amin’ izay tany rehetra tianao ny fanatitra doranao;
Deuteronomy 14:23dia aoka ho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao eo amin’ ny tany izany hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon’ ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao, mba hianaranao hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrao mandrakariva.
Deuteronomy 16:2Ary vonoy ny Paskan’ i Jehovah Andriamanitrao, dia ondry aman’ osy sy omby, eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah hampitoerany ny anarany.
Deuteronomy 16:7Ary atsatsiho amin’ ny afo izy, ka hano eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao; ary miverena nony maraina, ka modia any amin’ ny lainao.