Bokin'ny Deoteronomia 12:6
Ary any no hitondranareo ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo sy ny fanalam-boadinareo sy ny fanati-tsitraponareo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman’ osinareo;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 12
Cross References
Leviticus 17:3Na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely no mamono omby, na zanak’ ondry, na osy, na eo an-toby, na any ivelan’ ny toby,
Numbers 18:15Ny voalohan-teraka rehetra, izay ateriny ho an’ i Jehovah, na olona, na biby, dia ho anao avokoa; kanefa tsy maintsy havotanao ny voalohan-teraky ny biby maloto dia havotanao koa.
Deuteronomy 14:22Aloavy tsara ny ampahafolon’ ny vokatra rehetra avy amin’ ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-taona;
Deuteronomy 15:19Ny lahy rehetra amin’ ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao dia hohamasininao ho an’ i Jehovah Andriamanitrao; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinao, na manety ny voalohan-teraky ny ondry aman’ osinao.
1 Samuel 1:21Ary ralehilahy Elkana sy ny ankohonany rehetra niakatra hamono zavatra mba hanaterany ny fanatitra fanao isan-taona ho an’ i Jehovah sy ny fanalam-boadiny.
2 Chronicles 31:14Ary Kore Levita, zanak’ i Jimna, mpiandry varavarana tao atsinanana, no tonian’ ny fanati-tsitrapo ho an’ Andriamanitra, hizara ny fanatitra asandratra ho an’ i Jehovah sy ny zava-masìna indrindra.