The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Deoteronomia › Bokin'ny Deoteronomia 12 › Bokin'ny Deoteronomia 12:7

Bokin'ny Deoteronomia 12:7

ary any no hihinananareo sy ny ankohonanareo eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ary hifalianareo amin’ izay rehetra harin’ ny tananareo, izay efa nitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And there ye shall eat before the LORD your God, and ye shall rejoice in all that ye put your hand unto, ye and your households, wherein the LORD thy God hath blessed thee.

In Context

6Ary any no hitondranareo ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo sy ny fanalam-boadinareo sy ny fanati-tsitraponareo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman’ osinareo;

8Aza manao araka izay rehetra ataontsika eto ankehitriny intsony ianareo, dia izao samy manao izay mahitsy eo imasony avy izao.

Read all of Bokin'ny Deoteronomia 12

Cross References

Leviticus 23:40Ary amin’ ny andro voalohany dia makà voan’ ny hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan’ ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron’ ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.

Deuteronomy 12:18Fa eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao azy, dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao, dia ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao; ary hifaly eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ izay rehetra hanin’ ny tananao.

Deuteronomy 14:26ary ny vola dia amidio izay rehetra tian’ ny fanahinao, na omby, na ondry, na osy, na divay, na toaka, na izay zavatra hafa tian’ ny fanahinao; ary aoka ho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao izany sy hifalianao mbamin’ ny ankohonanao;

Deuteronomy 16:11ary mifalia eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.

Deuteronomy 27:7Ary manatera koa fanati-pihavanana, ka mihinàna eo sy mifalia eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao.

Psalms 128:1Fihirana fiakarana. Sambatra izay rehetra matahotra an’ i Jehovah, Dia izay mandeha amin’ ny lalany.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Deoteronomia 12:7

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Deoteronomia 12:6Bokin'ny Deoteronomia 12Bokin'ny Deoteronomia 12:8 →