Bokin'ny Deoteronomia 13:17
Ary ny entana nobaboina rehetra eo dia angòny eo afovoan’ ny kianja, ka doroy amin’ ny afo avokoa ny tanàna sy ny entana rehetra ao ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ho tanàna haolo mandrakizay izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 13
Cross References
Genesis 22:16ka nanao hoe: Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah: Satria nanao izany zavatra izany ianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao,
Genesis 26:24Ary Jehovah niseho taminy tamin’ iny alina iny ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr’ i Abrahama rainao; aza matahotra, fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao noho ny amin’ i Abrahama mpanompoko.
Exodus 20:6nefa kosa mamindra fo amin’ ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
Numbers 25:4Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Alao ny loholona rehetra, ary ahantòny tandrifin’ ny masoandro eo anatrehan’ i Jehovah ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah amin’ ny Isiraely.
Deuteronomy 7:26Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany, fa zavatra voaozona.
Joshua 6:18Kanefa mitandrema kosa ianareo ny amin’ ny zavatra voaozona, fandrao manolotra zavatra ho voaozona ianareo, nefa maka amin’ ny zavatra voaozona kosa, ka mahatonga ny tobin’ ny Isiraely ho voaozona ary mampidi-doza aminy.