Bokin'ny Deoteronomia 14:2
Fa firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka voafidiny ho rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Aza mihinana izay fahavetavetana.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 14
Cross References
Exodus 19:5Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
Leviticus 19:2Mitenena amin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masìna ianareo, satria masìna Aho, Jehovah Andriamanitrareo.
Leviticus 20:26Ary aoka ho masìna ho Ahy ianareo, satria masìna Aho Jehovah; ary efa navahako tamin’ ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy.
Deuteronomy 7:7Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan’ ny fitiavan’ i Jehovah taminareo sy nifidianany anareo, fa ianareo dia vitsy noho ny firenena rehetra aza;
Deuteronomy 26:18Ary Jehovah kosa efa nampiteny anao androany fa firenena rakitra soa ho Azy ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra,
Isaiah 6:13Ary na dia misy ampahafolony aza sisa, Dia mbola hosimbana ihany koa izany Kanefa kosa tahaka ny hazo terebinta sy ny ôka, Izay mbola misy fotony ihany na dia voakapa aza, Dia toy izany no mbola hisiana taranaka masìna ho fotony.