Bokin'ny Deoteronomia 15:2
Ary izao no ho fomban’ ny fanafahana: Ny tompon-trosa rehetra izay nampanàna vola tamin’ ny namany dia hamoy izany; tsy hanery ny namany izay rahalahiny handoa izy, satria efa voantso ny fanafahan’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ary isam-pito taona dia manaova fanafahana ianao.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 15
Cross References
Nehemiah 5:10Izaho sy ny rahalahiko ary ny zatovoko efa nampanàna vola sy vary taminy; koa masìna ianareo, aoka re hafointsika izany trosa izany;
Amos 8:4Mihanoa izao, ianareo izay mihanahana te-hitelina ny malahelo sy hahafongana ny mpandefitra amin’ ny tany
Matthew 6:14Fa raha mamela ny fahadisoan’ ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.
Luke 6:34Ary raha mampisambotra izay antenainareo fa mbola hanonitra ianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba mampisambotra ny mpanota, handraisany toraka izany indray.
James 2:13Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’ izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.