Bokin'ny Deoteronomia 15:7
Raha misy malahelo ny rahalahinao ao an-tanànanao anankiray amin’ ny taninao izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao, amin’ ny rahalahinao malahelo;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8fa sokafy tsara aminy ny tananao, ka ampisambory izay ilainy, araka izay mahory azy.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 15
Cross References
Deuteronomy 15:9Mitandrema fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao manao hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao malahelo ianao, ka tsy hanome azy akory ianao; ary hitaraina amin’ i Jehovah hiampanga anao Izy, ka dia ho fahotanao izany.
Esther 9:22dia araka ny andro nahafahan’ ny Jiosy tamin’ ny fahavalony, sy ny volana izay nampodiana ny alahelony ho fifaliana ary ny fitomaniany ho andro mahafaly, mba hatao ho andro fanasana sy fifaliana sy fifanateran-javatra ary fanomezan-javatra ho an’ ny mahantra izany.
Matthew 18:30Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy tao an-tranomaizina mandra-pandoany ny trosa.
1 John 3:16Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.