Bokin'ny Deoteronomia 16:1
Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan’ i Jehovah Andriamanitrao fa tamin’ ny volana Abiba no nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny alina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 16
Cross References
Exodus 12:11Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin’ ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan’ i Jehovah.
Exodus 12:41Ary rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin’ izany andro izany indrindra no nivoahan’ ny antokony rehetra izay an’ i Jehovah tamin’ ny tany Egypta.
Exodus 13:3Dia hoy Mosesy tamin’ ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana, fa tamin’ ny tanana mahery no nitondran’ i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira.
Exodus 23:14Intelo isan-kerintaona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy.
Exodus 34:18Tandremo ny andro firavoravoana, dia ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. Hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin’ ny fotoan’ andro amin’ ny volana Abiba, fa tamin’ ny volana Abiba no nivoahanao avy tany Egypta.
Numbers 9:2Aoka hotandreman’ ny Zanak’ Isiraely ny Paska amin’ ny fotoany.