Bokin'ny Deoteronomia 16:10
Ary mitandrema andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo, izay homenao araka izay itahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Herinandro fito no hisainao ho anao: hatramin’ ny andro iandohan’ ny fijinjam-bary no hanisanao azy.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 16
Cross References
Leviticus 5:7Ary raha tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho an’ i Jehovah izy ho saziny noho ny nanotany; ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana.
Leviticus 23:15Ary manisà ho anareo hatramin’ ny ampitson’ ny Sabata, dia hatramin’ izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka.
Numbers 28:26Ary amin’ ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an’ i Jehovah ianareo, rehefa afaka ireo herinandronareo, dia hisy fivoriana masìna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory;
Numbers 31:37ary ny anjaran’ i Jehovah avy tamin’ ny ondry aman’ osy dia dimy amby fito-polo sy enin-jato.
1 Chronicles 29:14Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ ny Anao ihany no nanomezanay Anao.
Proverbs 3:9Mankalazà an’ i Jehovah amin’ ny fanananao Sy amin’ izay voaloham-bokatrao rehetra;