Bokin'ny Deoteronomia 16:14
Ary mifalia amin’ ny andro firavoravoanao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita mbamin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 16
Cross References
Deuteronomy 14:29ary dia aoka ho avy ny Levita (satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy) sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana izy ka ho voky, mba hotahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ ny asan-tananao rehetra izay ataonao.
Deuteronomy 26:11Ary mifalia amin’ ny soa rehetra izay nomen’ i Jehovah Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao ianao sy ny Levita mbamin’ ny vahiny eo aminao.
Esther 9:22dia araka ny andro nahafahan’ ny Jiosy tamin’ ny fahavalony, sy ny volana izay nampodiana ny alahelony ho fifaliana ary ny fitomaniany ho andro mahafaly, mba hatao ho andro fanasana sy fifaliana sy fifanateran-javatra ary fanomezan-javatra ho an’ ny mahantra izany.
Isaiah 12:1Ary hiteny ianao amin’ izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao.
Isaiah 30:29Ary ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin’ ny alina fitandremana ny andro firavoravoana, ary ny hafalian’ ny fo dia ho tahaka ny olona mandeha omban’ ny feon-tsodina ho any an-tendrombohitr’ i Jehovah, dia any amin’ ny Vatolampin’ ny Isiraely;
Joel 1:16Moa tsy efa tapaka teo imasontsika va ny hanina, eny, ny fifaliana sy ny faharavoravoana tsy ho ao an-tranon’ Andriamanitsika?