Bokin'ny Deoteronomia 16:19
Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan’ olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ ny hendry ary mamadika ny tenin’ ny marina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 16
Cross References
Exodus 23:6Aza mamily ny rariny izay ananan’ ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy.
Leviticus 19:15Aza manao izay tsy marina amin’ ny fitsarana; aza miandany foana amin’ ny malahelo, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao.
Deuteronomy 1:17Aza mizaha tavan’ olona amin’ ny fitsarana, fa henoy ny kely toy ny lehibe; aza matahotra olona akory, fa an’ Andriamanitra ny fitsarana; ary izay sarotra loatra aminareo dia ento etỳ amiko ka hohenoiko.
Deuteronomy 24:17Aza manao fitsarana miangatra amin’ ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian’ ny mpitondratena ho tsatòka.
Deuteronomy 27:25Hozonina izay mandray kolikoly hahafaty olo-marina. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
1 Samuel 12:3Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan’ i Jehovah sy ny voahosony aho: ombin’ iza moa no nalaiko? na borikin’ iza no nalaiko? na an’ iza no nanaovako an-keriny? na iza no nampahoriko? na teo an-tànan’ iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko? fa honerako aminareo izany.