Bokin'ny Deoteronomia 16:3
Aza ny mofo misy masirasira no haninao aminy; hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, dia mofom-pahoriana, fa tampoka no nivoahanao avy tany amin’ ny tany Egypta, mba hotsarovanao amin’ ny andro rehetra hiainanao ny andro izay nivoahanao avy tany amin’ ny tany Egypta.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 16
Cross References
Exodus 12:8Dia hohaniny amin’ izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin’ ny afo no hihinanany azy mbamin’ ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin’ ny anana mangidy.
Exodus 12:14Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’ i Jehovah; hatramin’ ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay.
Exodus 12:19Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho amin’ ny fiangonan’ ny Isiraely, na vahiny na tompon-tany.
Exodus 12:32Ary ny ondry aman’ osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo, ka mandehana; fa mba tsofy rano aho.
Exodus 13:3Dia hoy Mosesy tamin’ ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana, fa tamin’ ny tanana mahery no nitondran’ i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira.
Leviticus 23:6Ary ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ izany volana izany dia andro firavoravoana ho an’ i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira.