Bokin'ny Deoteronomia 16:8
Henemana no hihinananao mofo tsy misy masirasira; fa ny andro fahafito dia fara-fivoriana ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka tsy hanao raharaha ianao amin’ izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Herinandro fito no hisainao ho anao: hatramin’ ny andro iandohan’ ny fijinjam-bary no hanisanao azy.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 16
Cross References
Exodus 12:15Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin’ ny voalohan’ andro no hanesoranareo ny masirasira amin’ ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin’ ny andro voalohany ka hatramin’ ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin’ ny Isiraely.
Leviticus 23:6Ary ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ izany volana izany dia andro firavoravoana ho an’ i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira.
Numbers 28:17Ary ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ izany volana izany dia andro firavoravoana; hafitoana no hihinanana mofo tsy misy masirasira.
Nehemiah 8:18Ary namaky ny teny tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ Andriamanitra isan’ andro isan’ andro izy hatramin’ ny andro voalohany ka hatramin’ ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin’ ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao.