Bokin'ny Deoteronomia 17:1
Aza vonoina hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrao izay misy kilema maharatsy azy, na omby na ondry na, fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ny manao izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 17
Cross References
Genesis 41:3Ary indreo, nisy ombivavy fito hafa kosa ratsy tarehy sady mahia niakatra avy teo Neily nanaraka azy, ka dia nijanona teo anilan’ ireo ombivavy teo amoron’ i Neily.
Exodus 12:5Zanak’ ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin’ ny ondry na amin’ ny osy izy;
Leviticus 22:23Na omby, na ondry, na osy, izay misy sampona, dia azonao haterina ho fanati-tsitrapo; fa raha atao fanatitra hanalam-boady, dia tsy hankasitrahana izy.
Deuteronomy 23:18Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin’ ny Isiraely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.
Deuteronomy 25:16Fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany zavatra izany, dia izay rehetra manao ny tsy marina.
Proverbs 11:1Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany.