Bokin'ny Deoteronomia 17:14
Rehefa tonga any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ianao ka mandova azy sy monina eo ary manao hoe: Hanangana mpanjaka ho ahy aho, mba ho tahaka ny firenena rehetra izay manodidina ahy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Ary ny vahoaka rehetra handre, dia hatahotra ka tsy hiavonavona intsony.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 17
Cross References
Deuteronomy 7:1Rehefa entin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana, ary firenena maro no voaroakany hiala eo anoloanao, dia ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, dia firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianao.
Deuteronomy 12:9Fa ianareo tsy mbola tonga any amin’ ny fitsaharana sy ny lova izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Deuteronomy 26:1Ary rehefa tonga ao amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao ianao ka mandova azy ary monina ao,
Joshua 1:13Tsarovy ny teny izay nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo hoe: Jehovah Andriamanitrareo manome fitsaharana ho anareo, ary homeny ho anareo izao tany izao.
1 Samuel 8:19Kanefa tsy nety nihaino ny tenin’ i Samoela ny olona, fa hoy izy: Tsia, fa aoka ihany hisy mpanjaka hanjaka aminay,
1 Samuel 12:19Dia hoy ny vahoaka rehetra tamin’ i Samoela: Mangataha amin’ i Jehovah Andriamanitrao ho an’ ny mpanomponao, Fandrao maty izahay! fa efa nanao izao ratsy Izao izahay ho fanampin’ ny fahotanay rehetra, satria nangataka mpanjaka ho anay.