Bokin'ny Deoteronomia 17:8
Raha misy teny sarotra loatra amin’ ny fitsarana ka tsy efanao, na ny amin’ ny mahafaty aina, na ny ady na ny vonoana, izay iadiana ao an-tanànanao, dia miaingà ianao, ka miakara any amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 17
Cross References
Exodus 18:26Dia nitsara ny olona mandrakariva ireo; koa ny ady sarotra ihany no nentiny tao amin’ i Mosesy, fa ny ady madinika rehetra kosa dia notsarainy ihany.
Exodus 21:20Ary raha misy olona mikapoka ny andevolahiny na ny andevovaviny amin’ ny tsorakazo ka mahafaty azy eo am-pikapohana, dia hovaliana tokoa izy.
Exodus 21:28Ary raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy, dia hotoraham-bato tokoa ny omby, ary tsy hohanina ny henany; ary ny tompon’ ilay omby dia ho afa-tsiny.
Numbers 35:11dia hifidy tanàna ianareo, ho tanàna fandosirana ho anareo, mba handosiran’ izay nahafaty olona tsy nahy.
Numbers 35:19Ny mpamaly rà no mahazo mamono azy; raha mihaona aminy izy, dia mahazo mamono azy.
Deuteronomy 12:5Fa ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrareo amin’ ny firenenareo rehetra hasiany ny anarany sy honenany no hohatoninareo sy halehanareo.