Bokin'ny Deoteronomia 17:9
ary mankanesa amin’ ireo Levita mpisorona sy amin’ ny anankiray izay mpitsara amin’ izany andro izany, ka manontania, dia hambarany aminao ny teny fitsarana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 17
Cross References
Deuteronomy 16:18Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, araka ny firenenao; dia hitsara ny olona amin’ ny fitsarana marina ireo.
Deuteronomy 21:5Ary ireo mpisorona, taranak’ i Levy, dia hanatona, fa izy no nofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin’ ny anaran’ i Jehovah; koa araka ny teniny no hanefana ny ady rehetra sy ny vonoana rehetra;
Deuteronomy 33:10Jakoba no hampianariny ny fitsipikao, Ary Isiraely ny lalànao; Hametraka ditin-kazo manitra eo anatrehanao’ izy Sy fanatitra dorana eo ambonin’ ny alitaranao.
Jeremiah 18:18Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an’ i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin’ ny mpisorona, na ny saina avy amin’ ny hendry, na ny teny avy amin’ ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.
Haggai 2:11Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Andeha maka hevitra amin’ ny mpisorona hoe:
Malachi 2:7Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany, satria irak’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, izy.