Bokin'ny Deoteronomia 18:2
Fa tsy hanan-dova eo amin’ ny rahalahiny izy; Jehovah no lovany, araka izay nolazainy taminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 18
Cross References
Numbers 18:20Ary hoy Jehovah tamin’ i Arona: Tsy mba hanana lova eo amin’ ny tany ianao sady tsy mba hanana anjara eo aminy; Izaho no anjaranao sy lovanao eo amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Psalms 16:5Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako.
Psalms 84:11Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny tranon’ Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain’ ny ratsy fanahy.
Isaiah 61:6Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron’ i Jehovah, Mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitsika no hilazana anareo ho lasanareo ny haren’ ny firenena, ary handimby voninahitra azy ianareo.
Ezekiel 44:28Ary hisy lova ho azy, dia Izaho no lovany; ary tsy homenareo zara-tany eo amin’ ny Isiraely izy, fa Izaho no anjarany.
1 Peter 2:9Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, “fanjaka-mpisorona, firenena masìna”, olona nalain’ Andriamanitra ho an’ ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran’ ilay niantso anareo hiala tamin’ ny maizina ho amin’ ny fahazavany mahagaga;