Bokin'ny Deoteronomia 2:14
Ary ny andro nandehanantsika hatrany Kadesi-barnea ka hatramin’ ny nitantsika ny lohasahan-driaka Zareda dia valo amby telo-polo taona, mandra-pahalany ritran’ ny mpanafika rehetra tamin’ izany taranaka rehetra izany ka tsy nisy intsony teo amin’ ny toby, araka izay efa nianianan’ i Jehovah taminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 2
Cross References
Numbers 1:1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy tany an-efitr’ i Sinay, tao amin’ ny trano-lay fihaonana tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana faharoa, tamin’ ny taona faharoa taorian’ ny nivoahany avy tany amin’ ny tany Egypta, ka nanao hoe:
Numbers 14:28Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, dia araka izay nolazainareo teo anatrehako no hataoko aminareo:
Numbers 26:65Fa Jehovah efa nilaza azy hoe: Ho faty any an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona sisa tamin’ ireny afa-tsy Kaleba, zanak’ i Jefone, sy Josoa, zanak’ i Nona, ihany.
Deuteronomy 1:2(lalana Iraika ambin’ ny folo andro Kadesi-barnea raha ao Horeba, raha ny lalana mahazo ny tendrombohitra Seïra no aleha.)
Deuteronomy 1:34Any nandre ny teninareo Jehovah, dia tezitra Izy ka nianiana hoe:
Deuteronomy 1:46Dia nitoetra ela tao Kadesy ianareo, araka ny andro izay nitoeranareo tao.