The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Deoteronomia › Bokin'ny Deoteronomia 2 › Bokin'ny Deoteronomia 2:25

Bokin'ny Deoteronomia 2:25

Anio no vao hataoko mahazo ny firenena ambanin’ ny lanitra rehetra ny horohoro sy tahotra anareo, ka raha reny ny lazanao, dia hangovitra sy hangorohoro eo anoloanao izy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

This day will I begin to put the dread of thee and the fear of thee upon the nations that are under the whole heaven, who shall hear report of thee, and shall tremble, and be in anguish because of thee.

In Context

24Mitsangàna, miaingà, ka mità ny lohasahan-driaka Arnona ianareo; indro, efa natolotro eo an-tananao Sihona Amorita, mpanjakan’ i Hesbona, mbamin’ ny taniny. Santaro ny handovanao azy, ka tafiho.

26Dia naniraka olona avy tany an-efitr’ i Kedemota aho hankany amin’ i Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, nitondra teny fihavanana hoe:

Read all of Bokin'ny Deoteronomia 2

Cross References

Exodus 15:14Mandre ny firenena ka raiki-tahotra; Hovitra no mahazo ny mponina any Filistia;

Numbers 22:3Dia raiki-tahotra indrindra ny Moabita noho ny hamaroan’ ny olona; ary nangorohoro ny Moabita noho ny Zanak’ Isiraely.

Deuteronomy 28:10Dia ho hitan’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany fa ny anaran’ i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy.

Joshua 9:24Dia namaly an’ i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Satria nambara tokoa taminay mpanomponao fa Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an’ i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin’ ny tany eo anoloanareo, ary natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka dia nanao izany zavatra izany;

2 Kings 7:6Fa Jehovah efa nampandre ny miaramilan’ ny Syriana ny fikodiadian-kalesy sy ny fandehan’ ny soavaly, dia ny firodondrodon’ ny miaramila be; ary niresaka hoe izy: Injao, fa ny mpanjakan’ ny Isiraely efa nanamby ny mpanjakan’ ny Hetita sy ny mpanjakan’ ny Egyptiana hiady amintsika.

Jeremiah 33:9Ary ho anarana mahafaly Ahy izany sady ho dera sy voninahitra ho an’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, izay handre ny soa rehetra ataoko aminy; Dia hatahotra sy hangovitra izy noho ny soa rehetra sy noho ny fiadanana rehetra izay hataoko aminy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Deoteronomia 2:25

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Deoteronomia 2:24Bokin'ny Deoteronomia 2Bokin'ny Deoteronomia 2:26 →