Bokin'ny Deoteronomia 20:1
Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy ary olona maro noho ianao, dia aza matahotra azy; fa Jehovah Andriamanitrao kosa, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, no momba anao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Ary rehefa hanafika ianareo, dia hanatona ny mpisorona ka hiteny amin’ ny olona hoe:
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 20
Cross References
Genesis 26:3Mivahinia eto amin’ ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay nataoko tamin’ i Abrahama rainao;
Numbers 10:9Ary raha misy ady eo amin’ ny taninareo, ka mandeha hiady amin’ ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo, dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fampitairana, dia hotsarovana eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin’ ny fahavalonareo.
Deuteronomy 1:29Dia hoy izaho taminareo: Aza manahy, any aza matahotra azy;
Deuteronomy 3:21Dia nandidy an’ i Josoa aho tamin’ izany andro izany ka nanao hoe: Ny masonao efa nahita izay rehetra nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ ireo mpanjaka roa lahy ireo; dia toy izany no hataon’ i Jehovah amin’ ny fanjakana rehetra izay halehanao.
Deuteronomy 7:21Aza matahotra azy ianao; fa Jehovah Andriamanitrao no eo aminao, dia Andriamanitra lehibe sy mahatahotra.
Deuteronomy 31:6Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.