Bokin'ny Deoteronomia 20:11
Ary raha fihavanana no avaliny anao, ka mampandroso anao izy, dia hampanaovinao fanompoana ny olona rehetra ao, ka hanompo anao izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Raha mby akaikin’ izay tanàna hiadiana ianao, dia milazà fihavanana aminy.
12Fa raha tsy mety manao fihavanana aminao kosa izy, fa te-hiady aminao, dia ataovy fahirano izy.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 20
Cross References
Joshua 9:9Dia hoy izy ireo taminy: Avy tany an-tany lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao; fa efa renay ny lazany sy izay rehetra nataony tany Egypta
Joshua 9:27Dia natolotr’ i Josoa tamin’ izany andro izany ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an’ ny fiangonana sy ho an’ ny alitaran’ i Jehovah mandraka androany eo amin’ ny tany izay hofidiny.
Joshua 16:10Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin’ i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana.
Judges 1:30Zebolona tsy nandroaka ny mponina tany Kitrona, na ny mponina tany Nahalola; fa nonina teo aminy ny Kananita ka nampanaovina fanompoana.
1 Kings 9:21dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin’ ny tany, izay tsy azon’ ny Isiraely naringana avokoa, no nampanaovin’ i Solomona fanompoana mandraka androany.
Luke 19:14Fa ny vahoakany nankahala azy, dia nampitondra reny nanaraka azy nanao hoe: Tsy manaiky hanjakan’ iny lehilahy iny izahay.