Bokin'ny Deoteronomia 20:14
Fa ny babo rehetra ao, dia ny zaza amim-behivavy sy ny biby fiompy ary izay rehetra ao an-tanàna, dia ho entinao ho anao; ary hohaninao ny babo azo tamin’ ny fahavalonao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 20
Cross References
Numbers 31:12dia nentiny tany amin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely teo an-toby, teo Arbota-moaba, izay eo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.
Numbers 31:35ary olona, dia ny zazavavy izay tsy mbola nahalala lahy, roa arivo amby telo alina.
Deuteronomy 2:35Ny biby fiompy sy ny fananany tao amin’ ny tanàna izay afatsika ihany no nataontsika ho babo.
Joshua 11:14Ary ny fananana rehetra tao amin’ ireny tanàna ireny sy ny biby fiompy dia nalain’ ny Zanak’ Isiraely ho babony; fa ny olona rehetra nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra mandra-pandringany azy; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
2 Chronicles 14:13Ary namely ny tanàna rehetra manodidina an’ i Gerara izy; fa ny fahatahorana an’ i Jehovah nahazo ireo, ka nobaboiny ny tanana rehetra, fa be ny babo tao.
Psalms 68:12Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.