Bokin'ny Deoteronomia 20:16
Fa ny tanànan’ ireto firenena ireto kosa, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, dia aza asiana miangana izay olona rehetra ao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 20
Cross References
Numbers 21:2Dia nivoady tamin’ i Jehovah ny Isiraely ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tananay tokoa ity firenena ity, dia hataonay levona avokoa ny tanànany.
Numbers 33:52dia horoahinareo eo alohanareo ny mponina rehetra amin’ ny tany, ary horavanareo ny vato soratany rehetra, ary hosimbanareo ny sarin-javany an-idina rehetra, ary horavanareo ny fitoerana avony rehetra;
Deuteronomy 7:1Rehefa entin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana, ary firenena maro no voaroakany hiala eo anoloanao, dia ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, dia firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianao.
Deuteronomy 7:16Ary aoka holaninao ny firenena rehetra, izay hatolotr’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ka aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny.
Deuteronomy 31:5Dia hatolotr’ i Jehovah eo anoloanareo ireo hanaovanareo azy araka ny lalàna rehetra izay nandidiako anareo.
Joshua 9:7Ary hoy ny Isiraelita tamin’ ireo Hivita ireo: Angamba mponina ato aminay ihany ianareo, ka hataonay ahoana no fanao fanekena aminareo?