Bokin'ny Deoteronomia 20:19
Raha hataonao fahirano ela ny tanàna izay tafihinao halaina, dia aza simbana kapaina amin’ ny famaky ny hazo eo; fa hisy hohaninao amin’ ireo, koa aza kapaina, fa olona va ny hazo any an-tsaha, no hataonao fahirano?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 20
Cross References
2 Kings 3:19Ary handrava ny tanàna mimanda rehetra sy ny tanàna soa rehetra ianareo sady hikapa ny hazo tsara rehetra sy hanampina ny loharano rehetra ary hanipy vato amin’ ny tany soa rehetra ho fanimbana azy.
Matthew 3:10Ary, indro, efa mipetraka eo amin’ ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
Matthew 21:19Ary nahita hazo aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina vetivety foana ilay hazo aviavy.
John 15:2Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa.