Bokin'ny Deoteronomia 20:4
fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin’ ny fahavalonareo mba hamonjy anareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For the LORD your God is he that goeth with you, to fight for you against your enemies, to save you.
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 20
Cross References
Exodus 14:14Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.
Deuteronomy 3:22Aza matahotra azy ianareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no hiady ho anareo.
Deuteronomy 32:30Hataon’ ny irery ahoana no fanenjika ny arivo, Ary hataon’ ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina, Raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, Ary Jehovah no efa nanolotra azy?
Joshua 10:42Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon’ i Josoa indray mandeha, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no niady ho an’ ny Isiraely.
1 Samuel 14:23Ary Jehovah namonjy ny Isiraely tamin’ izany andro izany; ary tafahoatra any Betavena ny ady.
2 Chronicles 13:12Ary, indro, ato aminay Andriamanitra ho mpitarika anay, ary ny mpisorony sy ny trompetra avo faneno hotsofina mafy hamelezana anareo Ry Zanak’ isiraely ô, aza miady amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo; fa tsy hambinina ianareo.